Ce 11 décembre 2023, la cérémonie officielle de remise du Référentiel Pâtissier – Traiteur s’est tenue au Campus SESAME Ambatoroka, marquant une étape importante pour le secteur du Tourisme – Hôtellerie – Restauration (THR), notamment dans les domaines de la restauration et de l’artisanat à Madagascar.
Cet événement mémorable a compté sur la participation de la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, de la Ministre de l’Artisanat et des Métiers, Sophie RATSIRAKA, ainsi que du Délégué Pays de l’Institut Européen de Coopération et de Développement (IECD), Manitra RAKOTOARIVELO.
Pour rappel, les travaux d’élaboration de ce Référentiel ont débuté en septembre de cette année, avec la collaboration des experts en pâtisserie, des formateurs qualifiés et des représentants du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle (METFP). En novembre dernier, le Référentiel Pâtissier – Traiteur a été validé par l’ensemble des parties prenantes et des professionnels du secteur.
L’IECD a accompagné le METFP dans l’élaboration des documents de référentiel en adoptant la méthodologie de l’Approche Par les Compétences (APC). Ainsi, la mise en application de ce Référentiel permettra d’offrir une formation certifiée par le Ministère de tutelle.
Il est à noter que grâce à la mise en application du décret sur l’alternance, la formation du métier pâtissier – traiteur a été désignée comme formation pilote au sein du CFP Marie Auxiliatrice Ivato et sera la première formation par alternance à Madagascar. Ainsi, 12 entreprises partenaires accueilleront 24 apprenants dès janvier 2024 pour une formation de huit mois.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ décembre 2023
Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny lasi-piofanana “Pâtissier – Traiteur”
Ny 11 desambra 2023 no notanterahina tao amin’ny Campus SESAME Ambatoroka ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Lasi-piofanana momba ny asa “Pâtissier –Traiteur”. Manamarika dingana iray lehibe iany ho an’ny sehatry ny fizahantany – fandraisam-bahiny – fampisakafoana (THR), indrindra ho an’ny fampiasakafoana sy ny asa tanana eto Madagasikara.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny Minisitry ny Asa tanana sy ny Haitao, Sophie RATSIRAKA ary koa ny Delegen’ny firenena ao amin’ny Ivon-toerana Eoropeanina momba ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD), Manitra RAKOTOARIVELO.
Raha tsiahivina, ny volana septambra 2023 no natomboka ireo asa famolavolana sy fandrafetana ny Lasi-piofanana izay nandraisan’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny sakafo sy mofomamy, ny mpampiofana matihanina ary mazava ho azy ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP). Ny volana novambra lasa teo, dia nankatoavin’ireo mpiantsehatra sy ny manam-pahaizana ny Lasi-piofanana momba ny asa “Pâtissier –Traiteur”.
Ny IECD dia nanohana ny METFP tamin’ny famolavolana ny Lasi-piofanana ary nampihatra ny metodolojia “Approche Par les Compétences” na ny fomba fiasa mifototra amin’ny fahaiza-manao (APC). Noho izany, ny fampiharana ity lasitra fanofanana ity dia ahafahana manolotra fiofanana voamarina avy amin’ny Minisitera tompon’andraikitra.
Marihina fa noho ny fampiharana ny didy hitsivolana momba ny fiofanana mifandimby (formation par alternance) dia voatondro ho fanofanana andrana eo anivon’ny CFP Marie Auxiliatrice Ivato ny fanofanana “Pâtissier –Traiteur”. Araka izany, orinasa mpiara-miombon’antoka 12 no handray mpianatra 24 manomboka amin’ny janoary 2024 ary haharitra valo volana ny fiofanana.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ desambra 2023