Monsieur Frederick MUIA, Directeur du Bureau de Pays de l’Organisation Internationale du Travail pour Madagascar, les Comores, Maurice et les Seychelles depuis le 1er septembre 2023 est venu effectuer une visite de courtoisie à la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ce 03 novembre 2023.
Au cours de cette rencontre, le Directeur de l’OIT a félicité Madagascar et le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle pour ses efforts en matière de promotion du travail décent et de développement économique en faveur des jeunes, des femmes et des personnes vulnérables. Il a souligné l’importance de la coopération internationale pour relever les défis actuels et futurs liés à l’emploi, à la sécurité au travail et à la protection sociale.
Madame la Ministre quant à elle, a exprimé sa gratitude pour la visite du Directeur de l’OIT et a souligné l’engagement continu de Madagascar envers les normes internationales du travail. Elle a également évoqué les projets nationaux visant à améliorer les conditions de travail, à lutter contre le chômage et à renforcer la sécurité au travail.
Cette visite marque ainsi l’engagement mutuel des deux parties dans l’accomplissement des objectifs communs de promouvoir l’emploi décent, l’employabilité et le respect des travailleurs suivants les normes internationales.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novembre 2023
Fananmafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny OIT
Tao aorian’ny nandraisan’Andriamatoa Frederik MUIA ny asa maha Talen’ny Biraon’ny OIT eto Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles ny 1 septambra 2023 lasa teo, dia tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ny tenany ny 03 novambra 2023.
Nandritra ity fihaonana ity dia niarahaba ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny Talen’ny OIT tamin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika ho an’ny tanora sy ny vehivavy ary ny olona marefo. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena hiatrehana ireo fanamby ankehitriny sy ho avy mifandraika amin’ny asa, ny fiarovana ny asa ary ny fiarovana ara-tsosialy.
Ramatoa Ministra kosa dia naneho ny fankasitrahany noho ny fitsidihan’ny Talen’ny OIT ary nanamafy ny fahavononan’ny departemanta izay iadidiany. Noresahiny ihany koa ny tetikasa nasionaly mikendry ny fanatsarana ny fepetran’ny asa, ny ady amin’ny tsy fananan’asa ary ny fanamafisana ny fiarovana ny mpiasa eo anivon’ny toeram-piasana.
Ity fitsidihana ity dia manamarika ny fifarimbonan’ny roa tonta amin’ny fanatrarana ny tanjona iraisana amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika, ny fahafaha-miasa ary ny fanajana ny mpiasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novambra 2023