Nitohy tamina lanonana roa sosona ny fivahinianan-dRalmatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanan arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella tao amin’ny Faritra Boeny ny zoma faha 28 jolay 2023.
Ny voalohany izay notanterahina tao amin’ny Roche rouge Mahanjanga, dia ny fanolorana fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampiofana miisa 43 izay mitsinjara amin’ireto ivo-toeram-pianarana manaraka ireto:
- Faritra Boeny : LTP Marovoay, LTP Ambatoboeny, CFPF Mahajanga
- Faritra Betsiboka: LTP Maevatanana
- Faritra Melaky: LTP Maintirano
Nambaran-dRamatoa Ministra nandritry ny lahateniny fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ireo velirano faha 4 sy faha 6 napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izao fandraisana mpiasam-panjakana izao satria ny mpampiofana dia anisan’ireo andry iankinan’ny Ministera mba hanatsarana eny ifotony ny kalitaon’ny fampiofanana sy ny fampianarana.
Nisy ihany koa ny fanolorana mari-piofanana ho an’ireo tanora miisa 285 nanaraka ny fiofanana Apprentissage aux Métiers de Base (AMB) sy ny Formation Professionnelle Qualifiante (FPQ).
Ny lanonana faharoa izay notontosaina tao amin’ny LTP Mahajanga dia ny fanolorana fitaovana ho an’ny Coin Jeune eo anivon’ny lysea teknika. Raha tsiahivina moa dia efa nisy fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny LTP ka nahafahana nanao fanentanana sy fiofanana mikasika ny ady amin’ny herisetra an-tsekoly sy ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina.
Koa tsy nanadino nisaotra ny UNFPA sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo ambany fitarihan’ny Governoran’ny Faritra Ramatoa Ministra nandritry ny fandraisam-pitenenana nataony.
Ary mba hahafan’ireo tanora mivelatra sy miala voly indrindra no antony nanoloran-dRamatoa Ministra ireo fitaovana toy ny table de billard, gitara, tam tam, baby foot, daomy, pétanque, baolina sy ny maro hafa.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jolay 2023
Deuxième journée dans la Région Boeny
La descente du Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, dans la région Boeny s’est poursuivie par une double cérémonie le vendredi 28 juillet 2023.
La première cérémonie étant la remise officielle des contrats de travail aux 43 formateurs qui s’est tenue au Roche rouge Mahajanga. La répartition de ses nouveaux recrus est comme suit :
- Région Boeny : LTP Marovoay, LTP Ambatoboeny, CFPF Mahajanga
- Région de Betsiboka : LTP Maevatanana
- Région Melaky : LTP Maintirano
Au cours de son allocution, Madame le Ministre a souligné que ce recrutement de formateurs s’inscrit pleinement dans la mise en œuvre des Velirano 4 et 6 institués par le Président de la République Andry RAJOELINA, car les formateurs sont les piliers sur lesquels s’appuie le Ministère pour améliorer la qualité de la formation et de l’enseignement technique menant à l’employabilité de nos jeunes.
A cet événement même s’est tenue la remise de certificat de fin de formation pour les 285 jeunes ayant suivi les formations en Apprentissage aux Métiers de Base (AMB) et la Formation Qualification Professionnelle (FPQ).
La deuxième cérémonie qui s’est tenue au LTP Mahajanga a été la dotation d’équipements de divertissement pour le Coin Jeune. A titre de rappel, grâce au partenariat avec l’UNFPA, les apprenants ont pu bénéficier de formation et de sensibilisation axées sur le harcèlement sexuel en milieu scolaire et la lutte contre la consommation de drogue.
Ainsi, Madame le Ministre, n’a pas manqué de remercier l’UNFPA et les différents responsables sous la houlette du Gouverneur de la Région Boeny Régionale Madame la Ministre lors de son allocution.
Afin que les jeunes puissent se divertir, apprendre et s’amuser, la Ministre a offert différents matériels tels que des ballons, une table de billard, une baby-foot, guitare, tam tam, dominos, pétanque et bien d’autres.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juillet 2023