Amin’ny alalan’ny tetikasa Mikolo Aina – Fandaharanasa FANARENANA, ary vokatry ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ary ny Minisiteran’ny Fitsarana, dia nisitraka fiofanana momba ny fanjairana sy fanamboarana “serviettes hygiénique lavables “ izay niarahana tamin’ny ONG Douleurs Sans Frontières Madagascar ireo vehivavy voafonja missa 28 tao Antanimora.
Ity hetsika ity dia tohin’ny fifanaram-piaraha-miasa teo amin’ny METFP sy ny tetikasa Mikolo Aina – tetikasa fanohanana ny fandaharan’asa FANARENANA, izay vatsian’ny Agence Française de Développement ny volana aogositra lasa teo. Ny tanjona dia ny fanomanana ny fiverenan’ireo vehivavy voafonja eo amin’ny fiarahamonina. Fanampin’izay ny fahafahan’izy ireo manovo fahalalana ary misitraka mari-piofanana ka afaka mamorana asa hahafahany miverina sy mampitombo izay eo am-pelatanany anatin’ny fotoana maharitra.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana tao Antanimora ny 19 oktobra 2023 Ramatoa Minisitra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ary nitondra fanomezana toy ny fitaovam-pidiovana, couches sy ny maro hafa, ho an’ireo vehivavy voafonja sy mitaiza kely. Araka ny nambaran-dRamatoa Ministra , ireto fanomezana ireto dia endrika iray hanehoany ny maha reny sy mpiahy ireo vehivavy marefo ary koa hanomezana tosika ho azy ireo mba hihoitra min’ny fiainana ka afaka hivelon-tena rehefa tafavoaka ny fonja.
Koa fisaorana mitafotoafo no atolotra an’ireo izay nanome ireto fitaovana ireto dia ny “Rugby French Flair” sy ny “Rugby Club Tanora Soavimasoandro”. Ohatra azo tsapain-tanana sy mampiseho firaisan-kina sy fihavanana izao fihetsika nataonareo izao.
PS: ho fitandroana ny lafiny maha olona ireo voafonja sy fanajana azy ireo dia notakomana ny tarehiny.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ oktobra 2023
28 Femmes détenues à Antanimora formées en vue de leur réinsertion sociale
A travers le Projet Mikolo Aina – Programme FANARENANA, un rayon de lumière a pénétré dans l’obscurité de la Maison Centrale d’Antanimora. C’est ici que l’ONG Douleurs Sans Frontières Madagascar a orchestré une symphonie d’espoir, célébrant les 28 femmes détenues qui ont terminé avec succès leur formation en couture et la fabrication de serviettes hygiéniques réutilisables.
Ce merveilleux événement a été rendu possible grâce à une collaboration étroite entre le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle et le Ministère de la Justice, avec le soutien inestimable du projet Mikolo Aina, financé par l’Agence Française de Développement. Les objectifs sont clairs : Permettre aux personnes détenues (femmes) d’obtenir des qualifications et des certifications professionnelles, augmenter l’activité professionnelle (formation et travail) et lutter contre l’inactivité en prison, offrir aux femmes détenues une opportunité de réinsertion professionnelle durable.
Madame La Ministre VAVITSARA Rahantanirina Gabriella a apporté son soutien et son chaleureux accueil à cette cérémonie exceptionnelle tenue le 19 octobre 2023. En plus des certificats de formation, la Ministre a partagé un geste d’affection en offrant des produits de soin et d’hygiène, y compris des produits pour les bébés, des couches et des savons, démontrant ainsi son profond attachement envers ces femmes et leurs enfants.
Un immense merci aux généreux donateurs, tels que le Rugby French Flair et le Rugby Club Tanora Soavimasondro, qui ont contribué à rendre cette journée mémorable et à apporter un peu de réconfort dans la vie de ces femmes détenues. C’est un exemple émouvant de la puissance de la solidarité et de l’espoir, qui peuvent illuminer même les endroits les plus sombres.
PS: Par respect absolu pour la confidentialité des détenues, nous avons pris soin de flouter leurs visages.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ Octobre 2023