À la suite de la visite de courtoisie de Madame Annalisa, designer et fondatrice de la société Luxury, le 23 juin 2023, la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, a effectué une visite des locaux de ladite société le 25 août 2023.
La société Luxury est spécialisée dans le luxe et la haute couture depuis 23 ans. Dans une optique de transférer cette passion pour le design, le luxe, la haute couture d’accessoires de mode et de tenues diverses, la fondatrice a ouvert un centre pour le perfectionnement des artisans.
Installée au sein même de la société, la Luxury Embroidery School Anosiala peut accueillir près d’une vingtaine d’apprenantes. Les cours sont dispensés à distance et les apprenantes pratiquent à travers des vidéos. Presque toutes les confections sont faites à la main et selon les besoins de la clientèle.
Le centre “Luxury Embroidery School Anosiala” contribuera à l’amélioration du contexte artisanal du pays et favorisera le développement du secteur de la couture tout en créant des emplois.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ août 2023
Fitsihana ny orinasa Luxury sy by Luxury Embrodery School Anosiala
Taorian’ny fitsidihan-dRamatoa Annalisa, mpamorona sady mpanorina ny orinasa Luxury an-dRamatoa Minisitra ny 23 jona 2023, dia nidina ifotony tao amin’ny orinasa Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny 25 aogositra 2023.
Ny orinasa Luxury dia miavaka amin’ny fahaizany manao zaitra avo lenta efa 23 taona izay. Noho ny fikasan’ny mpanorina hamindra izany fitiavana ny tontolon’ny zaitra sy famoronana izany, dia nanokatra foibe-piofanana antsoinay hoe Luxury Embroidery School Anosiala izy ireo, ary ho fampandrosoana ny asa tanana no tena antom-pisiany.
Ny Luxury Embroidery School Anosiala dia afaka mandray mpianatra roapolo eo ho eo ary isan’ireo fepetra takiana ny fananana fitiavana ny tontolon’ny famoronana. Amin’ny alalan’ny fampitan-davitra avokoa ny fampianarana ary manao fanazaran-tena amin’ny alalan’ny horonan-tsary ny mpianatra. Saika vita amin’ny tanana avokoa ny asa sy kojakoja rehetra hita ao amin’ny orinasa ary araka ny filan’ny mpanjifa no hanaovany ny famoronana.
Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa tanana eto amin’ny firenena ny ivon-toerana « Luxury Embroidery School Anosiala » ary hampiroborobo ny sehatry ny fanjairana eo amin’ny famoronana asa.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ aogositra 2023