La Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella a reçu la visite de SEM Jean-Louis ROBINSON, Ambassadeur de Madagascar en République Populaire de Chine ce 21 septembre 2023.
Cette visite entre dans le cadre de la mise en œuvre du Plan Friendship Program (FBP) sur l’enseignement professionnel Chine-Madagascar. Le programme FBP a pour objectif de renforcer les liens d’amitié et d’échange entre la Chine et Madagascar à travers l’éducation professionnelle et d’améliorer le niveau des compétences professionnelles à Madagascar.
Le programme FBP a pour but de :
- aider Madagascar à construire, élaborer des critères et normes professionnels sur l’éducation professionnelle,
- développer les manuels pédagogiques pour faire progresser les critères professionnels et favoriser le développement des niveaux d’éducation et de formation,
- former les enseignants malagasy,
- Développer les échanges des étudiants internationaux entre la Chine et Madagascar.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ septembre 2023
Fitsidihan’ny Masoivohon’i Madagasikara any Chine
Tonga nitsidika ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ny Masoivohoi Madagasikara any Chine, Jean-Louis ROBINSON ny 21 septambra 2023.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Plan Friendship Program (FBP) momba ny fampianarana sy fanofanana arak’asa Chine-Madagasikara ity fitsidihana ity. Ny fandaharan’asa FBP dia mikendry ny hanamafisana ny fifamatorana sy fiaraha-miasa ary ny fifanakalozana eo amin’i Chine sy Madagasikara amin’ny alalan’ny fanabeazana matihanina sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao matihanina eto Madagasikara.
Ny programa FBP dia mikendry ny:
- hanampy an’i Madagasikara hanorina sy hampivelatra ny fepetra sy fenitra arak’asa momba ny fanabeazana matihanina,
- hamolavola boky fampianarana mba hampandrosoana ny fepetra arak’asa sy hampiroboroboana ny ambaratongam-pampianarana sy fanofanana,
- hanofana mpampianatra malagasy,
- hampandrosoana ny fifanakalozam-pianarana iraisam-pirenena eo amin’i Chine sy Madagasikara.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ septambra 2023