🔴 Niroso tamin’ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina ny 5 martsa lasa teo ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy fampiofanana arak’asa sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) tamin’ny alalan’ny fanombohana ny fampiofanana faobe ho an’ireo tanora amin’ny sehatr’asa “BTP – maçon polyvalent, aide maçon, manoeuvre” izay natao teny amin’ny INPF Ivato, androany sabotsy 6 aprily 2024.
🔴 Tanora lahy sy vavy miisa 100 no manaraka ity fiofanana; Hianaran’izy mandritra izany fiofanana izany ireo teknika rehetra mikasika ny momba ny tao-java-baventy, toy ny « maçonnerie de moellon », ny fananganana sy ny fandanjalanjana ny fatra (dosage ) ny « béton armée », ny fanaovana « coffrage », ankoatra ireo pitsony samihafa momba izany. Misy araka izany ny fampiharana ao anatin’ilay “chantier école” mba tsy hijanona fotsiny amin’ny fampianarana an-tsoratra ny fiofanana.
🔴 Namafasin’ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, nandritra ny fanokafana ny fanombohan’ny fiofanana fa tsy maintsy hikarohana vahaolana ny tsy fifanojoan’ny asa misy eo amin’ny tsenan’ny asa sy ny fampiofanana izay omen’ny fanjakana. Fanamby apetraky ny Minisitera rahateo ny mba hananan’ireo tanora ireo asa avy hatrany aorian’ny fiofanana arahiny fa tsy hijanona fotsiny eo amin’izay fanomezana fampiofanana izay.
🔴 Malalaka ary betsaka ny filàna mpiasa misehatra amin’izay BTP ho an’ireo orinasa mivondrona eo anivon’ny SIM kanefa tsy mamaly ny fepetra takin’izy ireo ny fahaiza-manaon’ny tanora mamaly ny tolotr’asa, noho ny tsy fahampian’ny kalitaon’ny fiofanana narahin’ireto farany.
🔴 Aorian’ny fiofanana, hiroso avy hatrany amin’ny « entretien », hitiliany ireo tanora mamaly ny fepetra apetraky ny orinasa ireo tanora nanaraka fiofanana ireo. Izy ireo koa no hanana ny vintana sy erjika ankoatra ireo mpitady asa hafa, noho ny fanarahany fiofanana anatin’izao fiaraha-miasan’ny Minisitera sy ny SIM izao.
🔴 Amin’izao andiany voalohany izao, dia ny eto Antananarivo aloha no hanatanterahana ny fandaharan’asa fampiofanana faobe noho ireo orinasa mivondrona ao amin’ny SIM izay eto Antananarivo avokoa no misy ny foibe. Miankina amin’ny mety ho filàna isam-paritra kosa no hanitarana izany fampiofanana faobe izany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”