Fampiofanana momba ny “Mécanique bajaj” , faritra Vakinankaratra

Fampiofanana momba ny “Mécanique bajaj” , faritra Vakinankaratra

Fampiofanana momba ny “Mécanique bajaj” , faritra Vakinankaratra

🔴 Tanora, lahy sy vavy, miisa 110 no afaka hiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa ary afaka hanangana ny orinasa keliny na “atelier” ho azy manokana, rehefa avy nahavita ka notolorana ny taratsy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana narahiny mahakasika ny “Mécanique Moto- BAJAJ” tao Antsirabe.

“Mivelatra ary malalaka ny toerana ahafahanareo tanora miasa manomboka eto”, hoy Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, raha nitodika tamin’ireo mpiofana izy, nandritra ny lanonana fizarana mari-pankasitrahana androany zoma 22 martsa 2024.

🔴 Miparitaka manerana an’i Madagasikara mantsy ny BAJAJ, ary ahitana azy daholo ny faritra rehetra. Mila fikojakojana, fanamboarana ireny fitaovam-pitaterana ireny. Izany indrindra no maha zava-dehibe ity fanofanana amin’ny “mécanique moto-BAJAJ”, izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa ity. Na aiza na aiza toerana alehan’ireto tanora nahavita fiofanana ireto dia afaka miasa avy hatrany izy.

🔴 Taorian’i Morondava dia Antsirabe no nisatraka ity karazam-pampiofanana ity, izay mifandraika tanteraka amin’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, mahakasika ny fanofanana ny tanora, mba hahatonga azy ireo avy hatrany ho vonona amin’ny sehatry ny asa, ary handray anjara feno amin’ny fanarenana ny firenena, tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle