Tao amin’ny Lisea teknika Miarinarivo no nanatrehan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, ny fanombohana ny taom-panofanana/pianarana 2021-2022.
Ny famerenana ny hasin’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa mba hanamora ny fampananana asa mendrika sy mahavelona ho an’ny tsirairay no tanjona hifantohana ho an’ity taom-panofanana/pianarana ity:
- Fanandratana an’i Madagasikara ho firenena filamatra amin’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ;
-Tandremana sy tandrovana ny fanarahana ny fenitra ara-kalitao ; - Ampifanentanana tanteraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa, ny tolotra ara-panofanana ;
- Tantanina amin’ny fomba mangarahara ny asa.
Ireo no toromarika nanentanan-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny mpiara-miasa rehetra manerana ny Nosy. مواقع المراهنات الرياضية
Nitso-drano ireo mpianatra, ny mpampiofana ary ny mpandraharaha rehetra hahavita soa aman-tsara an’ity taom-panofanana ity koa Ramatoa Ministra teo am-pamaranana ny lahateniny. كيف تربح في القمار
« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
SCOM METFP / SEPTEMBRE 2021