Vao tonga teto amin’ny Faritra VATOVAVY, Ramatoa VAVITSARA RAHANTANIRINA Gabriella, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, niaraka tamin’Andriamatoa Coffi Dominique Agossou, Talen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momban’ny Asa misahana an’i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles, dia nanao fitsidihana ara-pombam-panajana ny Prefektioran’ny Mananjary.
Nitohy tamin’ny fijerena manokana ireo ivon-toeram-panofanana eto Mananjary ny dian-dRamatoa Ministra sy ireo delegasiona nanotrona azy, mialoha ny lanonam-pitokanana.
Samy nanaiky ny roa tonta ny maha zava-dehibe ny fametrahana fefy ho fiarovana voalohany indrindra ny ivon-toeram-panofanana, fa eo koa ny fampivoarana ireo vehivavy izay misitraka fanofanana ao amin’izany CFPF izany.
Tao aorian’ny fitsidihana ny Lysea teknika dia nanararaotra ihany koa ny Ministra nijery ny foyer “Tsy magnary zaza” , izay toeram-pitaizana ireo zaza kambana ao Mananjary ka ahitana tokantrano 28 io foibe-pitaizana io. Marihana fa miara-monina amin’ireo Ray aman-dreniny ireo zaza kambana ireo.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jona 2023
Mananjary, Mardi 12 juillet 2023
Tout juste arrivées dans la Région VATOVAVY, Madame le Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA RAHANTANIRINA Gabriella, avec Monsieur Coffi Dominique Agossou, Directeur Bureau Pays de l’OIT pour Madagascar, les Comores, Maurice et les Seychelles, se sont rendus à la Préfecture pour la traditionnelle visite de courtoisie.
S’ensuit la visite des Établissements ETFP sis à Mananjary pour voir de visu les préparatifs avant la cérémonie d’inauguration. Aussi, la Ministre est en commun accord avec l’OIT concernant la sécurisation des établissements ETFP. La construction de clôture est en parfaite résonnance avec la vision du METFP.
La Ministre a également profité de son passage à Mananjary pour visiter le foyer « Tsy magnary zaza ». Un centre où les enfants jumeaux et leurs familles vivent. Ce foyer regroupe environ 28 ménages.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juillet 2023