Misongadina amin’ny fahaiza-manao ananany amin’ny fampiofanana momba ny fikojakojana fiarakodia ny Institut National de Promotion Formation (INPF) Ivato. Resy lahatra ny amin’izay indrindra ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Cotisse Transport ka nihaona tamin-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny 07 jolay 2023.
Niompana tamin’ny tetikasa izay hiarahan’ny Ministera amin’ny alalan’ny INPF sy ny Cotisse Transport ny fihaonana ary hinoana sy hantenaina fa hitondra vokatra azo tsapain-tanana izany indrindra ho an’ireo tanora.
Nosingadina nandritra io fotoana io ihany koa ny fidinana ifotony izay ho tanterahin’ny roa tonta eny amin’ny ivon-toerana ka ho faritany ao aorin’io ny endriky ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana azo atao eo amin’ny Cotisse sy ny INPF.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jolay 2023
METFP – COTISSE TRANSPORT : Un partenariat en vue a travers l’INPF
L’Institut National de Promotion Formation (INPF) Ivato se distingue par ses compétences dans la formation en mécanique automobile. Convaincues par cela, les responsables de Cotisse Transport sont venus rencontrer Madame le Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ce 07 juillet 2023.
La réunion s’est concentrée sur le projet avec lequel le Ministère par le biais de l’INPF collaborera avec Cotisse Transport. Espérant d’ores et déjà que cette coopération apportera des résultats tangibles, en particulier pour les jeunes.
Il a également été décidé qu’une descente à l’INPF sera effectuée afin de faire un état des lieux et par la suite d’établir une convention de partenariat entre les deux parties.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juillet 2023