Ny zoma 28 febroary 2025 tao Manakara no nanombohan-dRamatoa Minisitra, RASOLOARISOA Marie Marcelline, ny fitsidihana ny faritra Fitovinany.
Tanjona ny fampandrosoana sy fanatsarana ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, niarahana tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana.
Nisantatra ny hetsika ny fanokafana ofisialy ny “Fijery Hafa”, ka nanamafy Ramatoa Minisitra fa ilaina ny fanohanana sy fampivoarana ny talentan’ny vahoaka ho enti-mandroso amin’ny fiainana. Notsipihany ihany koa fa mijoro hatrany ny Ministera amin’ny fanatanterahana io tanjona io.
Araka ny antontan’isa, 10 595 no nisoratra anarana tamin’ny fiofanana samihafa tao Manakara. Ireto ny sehatra nahazo mpiofana betsaka:
📌 Langue – 1 151
📌 Pâtisserie, Glace – 968
📌 Informatique – 704
📌 Cuisine et restauration – 664
📌 Elevage poulet race locale – 586
📌 Fabrication de savon – 358
📌 Mécanique auto – 368
📌 Coupe et couture / broderie – 300
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fizarana “Attestation Formation de Masse”, porofon’ny fanomezana fahalalana ho an’ny rehetra.
Taorian’izay, nandray anjara tamin’ny fizarana PPN ho an’ny zokiolona tao amin’ny Direction Régionale de la Population et des Solidarités ny delegasiona, izay tafiditra amin’ny politika sosialy napetraky ny Governemanta.
Nitohy tamin’ny fampirantiana ireo asa vita tao amin’ny faritra Fitovinany tao anatin’ny dimy taona farany ny hetsika, ary nifarana tamin’ny fitsidihana ny CFPF Manakara sy ny DRETFP Fitovinany. Nisy dinika sy fifanakalozana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra, mba hanatsarana hatrany ny sehatry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.
























